Asa fanaovan-gazety : miantso ny tomponandraikitra isan-tokony hamela ny mpanao gazety hanao ny asany an-kalalahana ny minisitry ny Serasera, Lalatiana Rakotondrazafy

- 2 juin 2023
« Miray fo sy miray saina amin’ny mpanao gazety voatohintohina tamin’ny fanatanterahana ny asany ny tenako », hoy ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy. Araka ny fanambaran’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM) dia olom-boatendry sy olom-boafidy tamina faritra maromaro no nanao fihetsika maneho fanilikilihana sy fanohintohinana ny mpanao gazety manao ny asany.
Nanao antso avo ho an’ny tomponandraikitra isan-tokony, araka izany, ny minisitra, mba mahela malalaka ny mpanao gazety hanao ny asany an-kalalahana. Tokony samy hanatanteraka sy hanaja ny asa tandrify azy, hoy izy, ny tsirairay.
Ny fetra voalazan’ny lalàna ihany no afaka mametra ny fahalalan’ny tsirairay eto Madagasikara ; dia ny fitandroana ny filaminan’ny tany sy ny firenena, araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana.
Mamporisika ny OJM hanohy ny ezaka fiarovana ny mpanao gazety manao ny asany araka ny tokony ho izy ny minisitry ny Serasera. Manana ny fahaleovan-tenany tokoa, hoy izy, ny Holafitra ; ary tsy miray tsikombakomba amin’ny minisitra na ny minisitera.
Romuald