Arrupe Madagascar : hazakazaka ho an’ny fandriam-pahalemana

  • 20 septembre 2023
Handray anjara amin’ny fikatsahana ny soa ho an’i Madagasikara indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana izao ny ivon-toerana Arrupe Madagascar (CA MDG), ivo-toetana iray ao anatin’ny Fiangonana Katolika ary ambany fitantanan’ny Fikambanan’i Jesoa.
Hisy ny hazakazaka ho an’ny fandriam-pahalemana sy filaminana antsoina hoe “Course pour la paix” izay karakarain’izy ireo ny alahady 24 septambra ho avy izao izay hanasana ny olom-pirenena rehetra. Tanjona ny hitaizana ny olom-pirenena handray anjara amin’ny fiainam-pirenena.
Manomboka amin’ny 8 ora ka hatramin’ny 12 ora sy sasany ny hetsika amin’io andro io. Hiainga eo amin’ny kianjan’i St Joseph Analamahitsy ary hifarana eny amin’ny Esca Antanimena. Hetsika maro isankarazany no ho tanterahana ao an-toerana amin’io fotoana io.
Misoratra anarana any amin’ny ivon-toerana Arrupe MDG ireo izay handray anjara hatramin’ny 21 septambra 2023. Akanjo amboniny fotsy no hiraisan’ireo mpandray anjara rehetra mandritra izany.
Partagez :
Mahandry