Arovy Oniversite : nanatanteraka varavarana misokatra

- 3 novembre 2023
Manatanteraka ny varavarana misokatra ny Arovy Oniversite eny Ambohimarina Fiaferana androany 3 novambra 2023. Tsiahivina fa ny 2 novambra 2023 ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ity sekolim-pampianarana ambony ity.
Tanjona anatin’izao ny hahafantaran’ireo mpianatra bebe kokoa ireo tolotra hita ao toy ny « Energie renouvelable », « ressources minérales et aménagement du sous-sol », « informatique et génie logiciel », « électronique « , sciences médicales » , technologies biomédicales » , « gestion des entreprises et des administrations » , « économie » ary ny « information et communication « .
Isan’ny mampiavaka ity sekoly ity ny fananany ny fitaovana ampiasain’ireo mpianatra ho mpitsabo izay antsoina hoe « simulateur ». Tsy hanao fanazaran-tena amina marary ny mpianatra fa ity fitaovana ity no ho ampiasaina. Olona efa matihanina no hisehatra amin’ireo marary araka izany.