Tarika SOA : hanao fampisehoana an-kira ao amin’ny CCESCA Antanimena.

  • 8 mai 2023
Ny 20 mey 2023 no hiaka-tsehatra eny amin’ny CCESCA i Ludysoa sy Nathan ao amin’ny tarika SOA araka ny nambarany nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety androany.
Izy ireo dia zanaka malagasy ary manana ny lanjany any ampitan-dranomasina. Anisany tena nahafantarana ireto mpanakanto ireto ny fandraisana anjara tamin’ny fifaninanana maro tany ivelany toy ny « The Voice France  » ary efa niaraka nihira tamin’ny mpanakanto malaza maro koa izy ireo. Nambaran’i Ludysoa sy Nathan fa ny faran’ity taona 2023 ity no hivoaka ny raki-kira manaraka .
Efa ela i Ludysoa sy Nathan no nieritreritra hanao seho eto Madagasikara hampisehoana ny zava-bitan’ny tanora malagasy any ivelany mba hatolotra ho an’ny Malagasy hoy i Holisoa anisan’ireo mpikarakara ny hetsika. Nambarany koa fa efa maro ny hiran’izy ireo ary misy hira mbola tsy nivoaka fa hatao amin’io fotoana io .
Partagez :
mialy