Antsirabe : Hiverina hisokatra ny fitaterana entana amin’ny zotra an-dalamby

- 10 novembre 2023
Hiverina hisokatra ny zotra an-dalamby mampitohy an’i Toamasina sy Antsirabe raha toa ka niato nandritra ny 7 taona. Vinavinaina hiverina amin’ny voalohan’ny volana desambra 2023 ny fitaterana entana ho an’ny zotra an-dalamby TA araka ny fanazavana nentin’ny orinasa Madarail .
Hitondra fampandrosoana ho an’ny faritra Vakinankaratra izao fampandehanana indray ny zotra an-dalamby izao. Heverina fa hiteraka asa, hampiroborobo ny faritra amin’ny lafin’ny toekarena ary hampitombo ny harinkarena araka izany ny fiverenany satria afaka mitatitra ireo enta-mavesatra izay vokarin’ireo ozinina sy orinasa maro eto Antsirabe sy ny manodidina . Maro ny hahazo tombony fa singanina manokana amin’izany ny fitaterana solika, ireo orinasa mpanao lamba, ireo ozinina mpanodina sakafo, ireo mpanao simenitra sy ireo ozinina lehibe hafa.

Tsiahivina fa efa lasa vakoka ankehitriny ny tobim-piantsonana ka rariny raha hasiam-panamboarana ho reharehan’ny tanana.
Mahandry