Ankazobe: avotra ireo vehivavy 3 mianaka natao takalon’aina.

  • 28 janvier 2024

Votsotra soa aman-tsara teo ampelatanan’ny dahalo ny 27 janoary tamin’ny 06ora hariva teny avaratr’i Tsaramasoandro kely, fokontany Manerinerina, kaominina ambanivohitr’i Ambolotarakely distrika Ankazobe ny vehivavy telo mianaka nataona dahalo takalon’aina nandritra ny fanafihana nitranga tao Antanetibe, fokontany Androva Atsimo, kaominina ambanivohitraTalata/Angavo distrikan’ Ankazobe ny alin’ny 23 janoary teo.

Nahery vaika ny hetsika sy paikady nataon’ny Zandary sy Tafika mampandry fahalemana any amin’iny distrikan’Ankazobe tamin’ny fanavotana ireto vehivavy telo mianaka ireto raha ny vaovao voaray avy amin’ny Tobim-paritry ny Zandarimaria Analamanga. Efa nahazo vokatra ny Zandary mampandry tany sady manao famotorana any amin’iny faritra iny.

Mbola mitohy ny hetsika famongorana ny asan-dahalo ao anatin’ireo faritra mifanefitra Analamanga sy Betsiboka ary Alaotra Mangoro. Hihamafy manomboka izao ny fiarovana sy fampandriana fahalemana amin’ireo faritra telo mifanefitra voatanisa ireo. Manamafy ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena fa ny fifanakalozam-baovao marim-pototra sy haingana amin’ny mpitandro filaminana no ahafahana mandray fepetra ara-potoana hamongorana ny asa ratsy. Nataona andian-jiolahy takalon’aina nandritra ny fanafihana ny 23 janoary lasa teo tany Antanetibe, fokontany Androva Atsimo, kaominina ambanivohitraTalata/Angavo distrikan’ Ankazobe ireto 3 vavy avotra ireto.

Partagez :
Sissie Raveloson