Andro maneran-tany ho an’ny mponina : hifantoka tanteraka amin’ny miralenta ny fankalazana

  • 11 juillet 2023

Ny vehivavy no mandrafitra ny 51% ny mponina eto Madagasikara hoy ny minisitry ny mponina, Soafilira Princia.

Ankalazaina androany 11 jolay ny andro maneran-tany ho an’ny mponina. Ho an’ny eto Madagasikara dia eny Ambohidratrimo, faritra Analamanga no hanatanterahana izany.

Ny lohahevitry ny fankalazana dia hoe “𝗙𝗮𝗻𝗮𝗹𝗮𝗹𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗲𝗳𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗺𝗶𝗿𝗮𝗹𝗲𝗻𝘁𝗮 𝗻𝘆 𝗹𝗮𝗵𝘆 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝘃𝗮𝘃𝘆: 𝗛𝗼𝗲𝗻𝗼𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗵𝗲𝘃𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝘃𝗲𝗵𝗶𝘃𝗮𝘃𝘆 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗸𝗶𝘇𝗶𝘃𝗮𝘃𝘆 𝗵𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗹𝗮𝗹𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗲𝗿𝗮𝗻-𝘁𝗮𝗻𝘆 ». Hifantoka tanteraka amin’ny miralenta ny fankalazana amin’ity taona ity. Ny fampivondronana ny hery no fomba ahafahana mitondra fampandrosoana ho an’ity firenentsika ity, ka ilaina ny hamelana ireo mponina tsy ankanavaka handray andraikitra amin’izay mety ho fampandrosoana azony entina hanatsarana ny fiaraha-monina hoy ny minisitra.

Naneho fankasitrahana ireo misehatra amin’ny fampivoarana ny fiainan’ny mponina ny minisitra na ireo amin’ny sehatra miankina amin’ny fanjakana na tsia.

Partagez :
mialy