Andro iraisam-pirenena ho an’ny rohivoahary ala honko: Hankalazaina mandritra ny telo andro any Antsohihy.

  • 31 juillet 2023

Ho tanterahana ny 2-3-4 aogositra 2023 izao ao Antsohihy faritra Sofia ny fankalazana ofisialy ny andro iraisam-pirenena ho an’ny rohivoahary ala honko eto Madagasikara. Lohahevitra vohizina amin’izany ny hoe: « Fitantanana lovainjafy ny rohivoahary ala honko, antoky ny firindran’ny fiainan’ny zanak’olombelona sy ny fahasalaman’ny tany ».

Hisy fanentanana sy famelabelaran-kevitra isan-karazany arahana fambolena honko mandritra ny fankalazana hatao. Isaka ny 26 jolay no andro natokan’ny UNESCO ho fanamarihana izany rohivoahary ala honko izany.

Manana 2% ny ala honko i Madagasikara maneran-tany. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fiarovana ny morontsiraka io zava-maniry io ary mandray anjara amin’ny ara-toe-karena sy ny ara-tsakafo ho an’ny mponina.

Partagez :
Mahandry