Mpampiofana miisa 40 ao amin’ny kaominina ambonivohitra Ambohidratrimo Fokontany Antohibe no nahavita fiofanana amin’ny fikapohana vato na “pavé”. Notoloran’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy Fanofanana arak’asa (METFP) taratasy fanamarinam-pahaizana androany izy ireo rehefa nahavita fiofanana nandritra ny herinandro. Hampiofana olona 20 avy izy ireo, izany hoe olona miisa 800 no hisitraka fampiofanana avy amin’ireo mpanofana ireo ary lalana rarivato mirefy 100 metatra ao amin’ny fokontany Antohibe no hanaovan’izy ireo ny fampiharana.
Ankoatra izay dia hametraka fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy ny METFP araka ny nambaran’ny minisitra, Rakotondrazafy Lalatiana. Ireo tanora nanao ny fiofanana no hanao ny asa rehefa misy tsenan’asam-panjakana fanamboarana lalana “pavé” isaky ny distrika. Marihina moa fa mbola hitohy any amin’ny faritra hafa ny fampiofanana raha ny nambaran’ny minisitra hatrany ary ho tolorana taratasy fanamarinana ny fahavitana fiofanana avokoa ireo nahavita izany.
Tokantrano an-jatony ahitana olona manodidina ny 7000 no mivelona amin’ny “carrière” ato amin’ny distrikan’Ambohidratrimo araka ny nambaran’ny ben’ny tanàna, Raherimanantsoa Feno.