Akany fanarenana Mandrosoa : ankizy 78 no taizana ao aminy

  • 12 décembre 2023

Miisa 78 ireo ankizy taizana ao amin’ny Akany fanarenana Mandrosoa kaominina Anosiala distrikan’Ambohidratrimo. 9 ka hatramin’ny 18 taona ireo ankizy mipetraka ao amin’ity akany ity. Misy amin’izy ireo no nanana olana tany amin’ny fiaraha-monina misy azy tsirairay avy ary ny sasany no nandika lalàna. Mianatra ny zaza ho fanarenana ara-tsaina azy ireo ary misy amin’izy ireo hiatrika fanadinam-panjakana ny amin’ny ara-batana kosa dia manao fanatanjahan-tena isan-karazany.

Mankalaza ny faha 120 taonany ity akany ity amin’ity taona ity, ho fanamarihana izany dia nasiam-panamboarana ny efitrano 3 fatorian’izy ireo ho fanajana ny zon’olombelona, notoloran’ny minisiteran’ny Fitsarana fitaovana koa ny Akany.

Ity toerana ity no nitaizana ireo zanaky ny « colon » na voanjo maditra tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany. Tao aorian’izay dia teto no nitobian’ireo mahery fon’ny firenena telo mirahalahy dia Raseta, Ravoahangy ary Rabemananjara. Ankehitriny ny Akany dia mandray ireo zazalahy tsy ampy taona izay nania, nanao heloka na voampanga ho nanao heloka sy ireo zaza mila arovana na « enfant en danger ».

Ny fanjakana no nanendry ity akany ity hiandraikitra ny fanarenana sy fitaizana ireo zaza nania amin’ny lafiny ara-tsaina, ara-batana ary ara-panahy. Ireo mpitsara ny zaza tsy ampy taona kosa no mandefa azy ireo aty amin’ny alalan’ny didy.

Partagez :
Natacha Hasimbola