Akademia miaramila Antsirabe : niarahaba sy nirary soa ny filoham-panjakana mpisolo toerana ny adiany faha 13

- 13 novembre 2023
Niarahaba sy nirary soa ho an’Andriamatoa jeneraly Ravalomanana Richard, Filoham-panjakana mpisolo toerana mivady, tao amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ireo manamboninahitra tafika sy zandary ombam-bady, andiany indray mihira taminy, tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe (andiany faha 13, La 13) ny zoma lasa teo.
Rehareha sy voninahitra ho an’ny andiany hoy izy ireo ny fananana rahalahy voatendry amin’ny andraikitra ambony toa izao ka hirariana hatrany ny hahatontosana soa aman-tsara ny adidy « Ho an’ny Tanindrazana ».

Njaka Randria