Afomanga 25 jona eo Anosy : tsy azo ijorojoroana manodidina ny faritry ny farihy

- 22 juin 2023
Mifanindran-dalana ny afomanga eo amin’ny Farihin’Anosy sy ny afomanga ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, aorian’ny « Antsam-piderana » hitondrana am-bavaka ny Firenena ny 25 jona 2023. Mitovy ny afomanga hiseho amin’ireo toerana roa ireo. Tsy tokony hivoaka ny olona efa tafiditra ao anatin’ny Kianja Barea mandritra io fotoana io araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena.
Tsy azo atao ny mijorojoro eny amin’ny manodidina ny Farihin’Anosy fa mety hampidi-doza. Voarara koa ny fitsilovana « Laser » eny amin’ny faritry ny ranon’Anosy, fa mety hitera-doza satria misarika ny fipoahan’ireo vanja ny fanaovana izany. Hisy ny fepetra hentitra horaisina ho an’ireo minia mandika ny fandaminana raha ny fanazavana hatrany.
mialy