Vehivavy iray amin’ny 03 no mbola ianjadian’ny herisetra ara-batana eto amintsika hoy mpisolo-tenan’ny UNFPA eto Madagasikara. Mba hahafahan’ireo vehivavy ianjadian’ny herisetra mahaleotena sy manana antom-pivelomana dia 30 mirahavavy no nanaraka fiofanana nandritry ny 30 andro teo anivon’ny Ivon-toerana manokana miady amin’ny herisetra amin’ny maha lahy na maha vavy “centre spécialisé dans la lutte contre la violence basé sur le genre Mahamasina” izay misalotra ny anarana hoe “Fandresena”.
“Formation d’intégration” , na fiofanana fanarenana izay niompana tamin’ny fivelarana amin’ny maha olona, zaitra, petakofehy ary nahandro sy fanaovana mofomamy no narahin’izy ireo.” Mbola tsy nivaly ny fitarainana dia efa nahazo fiofanana toy ny “développement personnel” izahay ka nahafahanay nifehy ny fihetsepo, sy fahaizana mitantanana ahafahanay mihary. Lasa vehivavy mijoro sy vonon-kadresy izahay taorian’ny fiofanana raha ny fijoroana vavolombelona nataon’i Judicaël. Nandritry ny fanolorana mari-pahavitana fiofanana azy ireo androany 04 oktobra dia notolaran’ny vadin’ny filoham-pirenena fitaovam-piasana izy ireo ahafahany manomboka sahady amin’ny asa tenany.