Ady amin’ny fihanaky ny zava-mahadomelina : manentana fivondronana ny « SOS Village d’enfants »

- 22 juin 2023
Hivondrona ho iray hametraka paikady entina miroso amin’ny ady amin’ny fihanaky ny zava-mahadomelina, io no antom-pisian’ny fifampizarana narahana ady hevitra notanterahan’ny « SOS Village d’enfants » tamin’ny mpiara-miombonantoka maro tetsy Anosy ny 21 jona.
Heverin’ny mpikarakara ny hetsika fa anisan’ny paikady lehibe amin’izany ny fanatanterahana haitaky amin’ny fanjakana hiarahana hampiseho fahavononana hiady. Tsy jerena intsony hoe aiza ho aiza ny nataon’ny fanjakana talohan’izao fa ady vaovao ary ady iombonana no atao manomboka eto hoy ny Maitre Maria Raharinarivonirina, Filohan’ny filankevim-pitantanan’ny « SOS Village d’enfants ».
Natao mifanindry andalana amin’ny iray volan’ny ankizy ny hetsika. Ny lohahevitra voizina rahateo dia ny hoe “Miatrika ny ho avy mamiratry ny ankizy” raha ny fanazavana.
Raha ny fantatra nandritra ny fifampizarana, efa taona maro no nihanaka ny fidiran’ny ankizy sy ny tanora amin’ny zava-mahadomelina. Tsikaritra nihamafy izany ankehitriny ary ahiana hisy fiantraikany mavesatra amin’ny ho avin’izy ireo sy ny firenena. Miseho amin’ny endrika maro izany ka izany indrindra no mila hivondronan’ny tompon’andraikitra tsirairay amin’ny ady.