Ady amin’ny fanondranana biby antsokosoko : tsy diso anjara amin’ny fiofanana any Washington DC i Madagasikara

  • 30 mai 2023

Firenena sivy aty Afrika no voafidy hiatrika ny fiofanana mikasika ny fiarovana ny biby amin’ny fanondranana antokosoto na ny « Defi de leadership adaptatif pour la lutte contre le trafic d’espèces sauvages » i Madagasikara. Ahitana an’i Burundi, Malawi, Mozambique, Comores, Kenya, Madagascar, Tanzania, Uganda ary USA izay mampiatrano ireo mpandray anjara.

Notontosaina nanomboka ny faha 22 May 2023 lasa teo ka haharitra hatramin’ny 02 Jona 2023 ho avy izao ny fiofanana hiarahana amin’ny USFWS (United States Fish and Wildlife Services) sy ny ICCA (International Conservation Chiefs Academy), izay tanterahina ao amin’ny National Conservation Training Center (NCTC), Washington DC, West Virginia.

Ministera efatra no voafidy hisolotena an’i Madagasikara mandritra izany fiofanana izany dia ny ministeran’ny   Jono sy ny Toekarena Manga , ny ministera misahana ny Filaminana Anatiny, ministeran’ny   Fiarovam-pirenena ary ny avy ao amin’ny Fadin-tseranana izay nisolo tena ny ministeran’ny  Fitantanambola.

Ankoatra ny fiofanana dia hisy ihany koa ny fitsidihana ny trano fiasan’ny Filohan’ny Repoblikan’i Etazonia izay ataon’ny mpandray anjara rehetra ,ary hisy ny fizarana mari-pahaizana ao aorianan’izao fiofanana izao.

 

Partagez :
Mahandry