Natolotry ny Filohan ny Antenimieram – pirenena misahana ny Faritanin Antananarivo Augustin Andriamananoro tamin ny fomba ofisialy tamin ny vahoakan ny Tsiroanomandidy ireo solombavambahoaka voafidy teto amin ny Distrikan ny Tsiroanomandidy Andriamatoa Harison Raholijaona sy Ranarivelo Lucien . Namafisiny tamin’ny lahateniny ny hafatry ny Filoham pirenena Andry Rajoelina ho an ny olom boatendry sy ny olom boafidy fa atao laharampahamehana ho tafapaka isan tokatrano ny fampandrosoana ho tombotsoan’ny besinimaro.