Vonona ny avy eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana (HCC) amin’ny fiatrehana ny fifidianana ny alarobia 29 mey ho avy izao. Nitafa mifanesy tamin’ireo mpanara-maso ny fifidianana avy ao amin’ny SADEC sy ny Vondrona Afrikana ny Filohan’ity andrim-panjakana ity, Rakotoarisoa Florent, androany.
Votoatin’ny fifampiresahana ny mikasika ny fikarakarana ny fifidianana. Nanao antso avo tamin’ireo kandida sy ny vahoaka Malagasy ny Filohan’ity andrim-panjakana ity mba hiatrika ny fifidianana am-pilaminana. Ny mpanao politika sy ny kandida dia olon-kendry hoy izy, ka manentana ny mba hisian’ny fifanajana, mba tsy hisian’ny fihantsiana ary anatin’ny fanajàna tanteraka ny soatoavina maha Malagasy.