• 15 novembre 2023
Ny mpanara-maso fifidianana avy amin’ny SADC no namarana ny fitsidihana tao amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) androany 15 novambra 2023. Fihaonana izay ijeren’ireto mpanara-maso fifidianana avy any ivelany ireto ny fiomanana sy ny fahavononana hiatrika ny fifidianana amin’ny rafitra voakaisik’izany eto Madagasikara.
Nambaran’ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent fa « vonona ary manaiky ny firosoana amin’ny fifidianana hatao rahampitso ny mpanara-maso iraisam-pirenena ». Vonona koa, hoy izy, ny HCC hitsara sy hamoaka ny voka-pifidianana am-pahamarinana.
Partagez :
Mahandry