- 16 novembre 2023
Anisan’ny nanatanteraka ny adidiny amin’ny maha olom-pirenena azy ny mpikambana ao amin’ny governemanta ankehitriny sy ireo teo aloha. Anisan’izany ny minisitry ny Mponina Princia Soafilira izay nifidy tao amin’ny biraom-pifidianana CEG Antehiroka Ambohibao tamin’ny 10 ora maraina.
Ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, izay nanefa ny adidiny teny amin’ny biraom-pifidianana Ilaivola Ivato tamin’ny 11 ora.
Teny Manarintsoa Isotry no nanatontosa ny adidiny ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitatanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, raha toa ka teny amin’ny EPP Mandrosoa Ivato no nanefa ny azy ny ministry ny Fampianarana teknika sy ny Fampiofanana arak’Asa, Vavitsara Rahantanirina Gabriella.
Ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina teo aloha, Lalatiana Rakotondrazafy kosa dia nanatanteraka izany teny Ampasanimalo.
Mahandry