- 16 novembre 2023
Fifidianana : hiditra amin’ny fanisam-bato
Tamin’ny 5 Ora teo no voafaritra ho ora fikatonan’ny biraom-pifidianana. Ny olompirenena efa nilahatra teo ivelan’ny birao fandatsaham-bato tamin’ny 5 ora ihany no mbola azo raisina.
Miroso amin’ny fanolorana ireo mpanisa vato ny mpikambana amin’ny Biraom-pifidianana aorian’izany. Olompirenena terem-panahy , manolo-tena avy amin’ireo mpanatrika ao anaty efitrano no manisa vato.
Tanterahina amin’ny feo avo sy ampahabemaso ny fanisam-bato. Adika mazava eny amin’ny solaitrabe ny fivoaran’ny fanisina, araka ny fanazavana entin’ny CENI hatrany.
Romuald