- 3 novembre 2023
Rongony milanja 9 kilao latsaka kely, miaraka amina fanafody gasy tao anaty gony no tratran’ny polisim-pirenena avy ao Belo Tsiribina, faritra Menabe, ny 30 oktobra. Avy tao Morondava ity fiara nitondra azy ity. Lehilahy iray 45 taona no natao famotorana ary niaiky fa azy tokoa ilay entana. Hatolotra ny Fitsarana ao Morondava ny raharaha aorian’ny famotorana , hoy ny talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Menabe, ny jeneraly Seraly Hercule.
admin