• 4 octobre 2023
Malagasy ray sy reny avokoa ny zandary nolazaina fa teratany vahiny nantsoina hiditra an-tsehatra tamin’ny fiatrehana ny fidinana an-dalambe nataon’ny mpanao politika ny alatsinainy 2 sy talata 3 oktobra teo.
Nandraisana fepetra ny olona tompona antoka tamin’ny fanapariahana ity vaovao tsy marina sy mampisavorovoro saina ity, hoy ny komandin’ny Tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Analamanga, Lieutenant-Colonel Tojo Raoilijon.
 Misy, hoy izy, ny fiaraha-miasa amin’ny vahiny saingy amina sehatra hafa, toy ny fifanakalozana traikefa amin’ny fiofanana, fanadihadiana na famotorana tranga mahakasika firenena roa na maromaro…
Partagez :
Romuald