Fako plastika : fanamby goavana no miandry an’i Madagasikara manoloana ny olan’ny fitantanana ny fako, araka ny fifampizarana niarahana tamin’ny REMAPSEN

- 28 juillet 2023
Tombanana ho 8 750 T isanandro ny fako miparitaka eto Madagasikara. Vinavinaina ho 300 hatramin’ny 400 grama isana olona izany, araka ny kajikajy maneran-tany. Ny 40% ihany anefa hatramin’izao no voangona, ho an’ny eto amintsika, ary an-tanandehibe ny ankamaroany.
Fako plastika anefa ny 4 hatramin’ny 6%n’ireo fako ireo. Fako plastika izay fototra mandoto ny tontolo iainana sy manimba ny tany ary miteraka aretina maro ho an’ny zanak’olombelona.
Ankoatra ny ezaka ataon’ny Fiadidiana ny tanàna tsirairay, manompana ezaka ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy amin’ny fitantanana ny fako. Ivon-toeram-panadinana fako 15 no vinavinaina hapetraka. Roa amin’io no eto Antananarivo izay efa an-dalam-pametrahana.
Maro koa etsy an-daniny ny fikambanana tsy miankina sy orinasa miezaka manentana ny mpiara-belona sy mametraka tetikasa ahafahana manodina ny fako plastika. Anisan’izany ny Orinasa Stars amin’ny alalan’ny tetikasa Kopakelatra; ny ONG Move Up sy mpandraharaha maro.
Ho fampivelarana ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny fako plastika sy ny voka-dratsiny, nisy androany 28 jolay 2023 ny fandaharam-potoana nokarakarain’ny tambajotra ivondronan’ny mpanao gazety misehatra amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana (REMAPSEN ) teny Ambatobe. Andiany faharoa amin’ny hetsika antsoina hoe « Le rendez-vous de REMAPSEN »izy ity. Afaka nanovo torohay sy fahalalana mivantana tamin’ny tomponandraikitra avy amin’ny minisitera roa voakasika sy ny manampahaizana ary mpandraharaha misehatra amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny fako ny mpanao gazety tonga niatrika ny famelabelarana.
Natao izany mba hahafahan’ny mpanao gazety mahalala misimisy kokoa ny mombamomba ny lohahevitra mba hanatsarana ny votoatin’ny lahatsoratra na fanapariaham-baovao ataony.
Nohamafisin’ny tale misahana ny Fitantanana ny Fahalotoana sy Fako ary ny Tontolo iainana , eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy, Dr Salama Jean Claude, fa mila mifandanja ny habetsaky ny fako sy ny rafitra fikirakirana sy fanodinana.