- 14 juillet 2023
Tafakatra 12 tapitrisa ny mpanjifa ny telma manerana an’i Madagasikara taorian’ny volana novambra raha 10 tapitrisa izany tamin’izany. Niampy 2 tapitrisa araka izany ny mpampiasa ny tambazotra. Filamatra voizin’izy ireo ny hoe « Isika rehetra manandanja, ny mpanjifa rehetra mampiasa dia manandanja avokoa » Izany indrindra no nanosika ny tompon’andraikitra nandray fanampahan-kevitra hampifaly ny mpanjifany.
Aminy maha fa 12 tapitrisa ny mpanjifany an’i Rakotoarivelo Onja Mihantalalaina Fabienne dia notolorana fahatsiarovana manokana avy amin’ity orinasa ity izy androany 14 jolay. Omaly 13 jolay ity tovovavy ity no nividy « puce » ary tampoka taminy izao fanolorana fanomezana ho azy izao hoy ity farany.
Sissie Raveloson