• 13 juillet 2023
Nanantotosa lalao aram-panatanjahatena teny Betongolo ny manamboninahitra jeneraly androany 13 jolay. Nosafidian’izy ireo manokana ny lalao tenisy. Anton’izao ny fanatanterahana ny velirano faha 13 ny filohampirenena “ny fanatanjahatena”.
Etsy ankilany , natao indrindra koa hitarihana ny rehetra hiditra amin’ny sehatry ny fampiasam-batana amin’ny alalan’ny fanatanjahatena isan-karazany. Ity farany izay lalana iray lehibe entina miady amin’ny fidoroana zava-mahadomelina ary koa tsy fahadriampahalemana.
Niara nanatontosa ny hetsika androany ny Zandary, Miaramila ary ny sivily miara-miasa amin’izy ireo
Partagez :
Sissie Raveloson