- 3 juillet 2023
Olona 11 avy amin’ny faritra samihafa no nisitraka fanomezana avy amin’ny vondron’orinasa Telma androany. Izy ireo dia anisan’ireo voasarika nandritra ny lalao “lalaontsika”, nataon’ity orinasa ity.
Nandritra ny enina herinandro dia nisy fisarihana mivantana foana, nanomboka ny 4 may ka hatramin’ny 17 jona lasa teo. Tanjona amin’izao hetsika izao dia ho fisaorana ireo mpanjifa, ary nifanindran-dalana indrindra tamin’ny volana jona, izay volan’ny fety.
Nahafahana nandray anjara tamin’izao lalao izao ny fampiasana ireo tolotra ao amin’ity mpandraharaha amin’ny fifandraisan-davitra ity.
Hasina Rakotoarilina