- 24 mai 2023
Vonona hiditra amin’ny sehatry ny matihanina avy hatrany ireo mpiompy trondro miisa 72 nisitraka fampiofanana mahakasika ny asan’izy ireo tao Ambatolampy, Faritra Vakinankaratra. Hitsangana ny fikambanana hivondronan’izy 72 mianadahy mba hanamorana ny tantsoroka sy fanaraha-maso ho azy ireo araka ny fampitam-baovao.
Natao izao fiofanana izao araka ny fampanantenana nataon’ny minisitry Jono sy ny Toekarena manga nandritra ny fitsidihany tany an-toerana. Nitohy tamin’ny fidinana ifotony ho fitsirihana sy fanitsiana ireo toeram-piompiana trondro miisa 2 ny fotoana.
Mahandry