• 22 mai 2023

Nisy niditra antsokosoko ny trano fonenan’ny Filohan’ny Antenimierampirenena Razanamahasoa Christine ny sabotsy alina faha 20 mey 2023. Very nandritra izany ny finday fampiasany izay marihina fa ahitana ny fifandraisany rehetra sy ny solosaina (écran plat miaraka amin’ny Unité Centrale) ary ny poketra misy vola.

Fantatr’ireo mpanao ratsy ny zavatra notadiaviny satria any anatin’ireo finday ireo avokoa ny mombamomba azy mivady manokana ary tsy nisy zavatra hafa very tao an-trano ankoatra ireo. Tsy nahitana fahasimbana ny fidirana rehetra tao an-trano. Melohina tanteraka ny fihetsika toy izao satria ahiana hisy hevi-dratsy ambadika kasaina atao.

Loharano : Com Pdt. Assemblée nationale

Partagez :
Mahandry