ByMahandry

Déc 26, 2021
Spread the love
Miaramila iray no lavon’ny balan’ ny malaso, malaso telo no lavon’ny balan’ny miaramila, tao Anjatelo, kaominina Analaiva, distrikan’i Morondava, faritra Menabe. Io no vokatry ny fifampitifirana teo amin’ny dahalo sy ny mpitandro filaminana androany alahady 26 décembre.
Nihaodihaody hanafika tao Anjatelo ireto malaso ireto no tazan’ireo fokonolona tao an-toerana. Niantso vonjy tamin’ny mpitandro filaminana ny ben’ny tanànan’ Analaiva, Jama Tongasoa, ka miaramila 6 no niaraka tamin’ireo fokonolona.
Raikitra ny fifampitifirana tokony ho tamin’ny 5 maraina. Andalana hanampy ireo namany ny zandary avy ao Morondava, araka ny fampitam-baovao.

Laisser un commentaire