ByMahandry

Déc 14, 2021
Spread the love

Efa tafiditra anatin’ny asa raikitra voalazan’ny lalàm-panorenana hosahanin’ny andrim-panjakana mpanao lalàna ny fitsirihana sy fanaraha-maso ny asan’ny mpanatanteraka, ampian’ny Fitsarana momba ny kaonty amin’ny lafiny fitantanam-bola, ka rariny raha tsy ananganana lalàna manokana intsony ny fanombanana ny politikam-panjakana, hoy ny filohan’ny vaomieran’ny lalàna ao amin’ny Antenimierampirenena, Idealison.

Tapaky ny solombavambahoaka androany fa ahemotra amin’ny fotoam-pivoriana manaraka ny tolo-falàna nataon’ny solombavambahoaka Johasy Eleonore, mifehy ny fanombanana ny politikam-panjakana.

Laisser un commentaire