ByMahandry

Déc 14, 2021
Spread the love

Ho fanamafisana sy fiarovana ny tetezan’Anosizato mampitohy an’Antananarivo renivohitra sy Anosizato ary Ampitantafika amin’ny lalam-pirenena voalohany (RN°1), sy ny tetezan’ Ampasika amin’ny RIP 13 , izay mampifandray an’Itaosy sy Antananarivo Renivohitra dia misy fanamboarana atao amin’ireo fotodrafitrasa ireo. Anisan’ny atao anatin’izany ny fanamafisana ny “piles intermédiaires” sy ny moron’ny renirano mba hiarovana azy tsy hokaohin’ny riaka. Haharitra telo volana ny fanatanterahana ny asa. Ny Fanjakana malagasy no mamatsy vola azy, amin’ny alalan’ny  Ressources Propres Internes (RPI).

Laisser un commentaire