Hamboarina ho lalan-tara (route goudronnée) ny lalam-pirenena faha 5 (RN5) manomboka eo Soanierana Ivongo hatrany Vahibe Mananara Avaratra. Hanomboka avy hatrany ny asa ary tsy maintsy hovitaina alohan’ny 26 jona 2023.
Tsy maintsy hotohizana hatrany Maroantsetra io lalana io, hoy ny filoha Andry Rajoelina. Hisy koa ny fanarenana ny lalana Maroantsetra mankany Antalaha, izay efa tsy azo naleha an-taonany maro. Natolotry ny filoha nandritra ity fitsidihany ity koa ny kamion ben iray sy fandraosam-pako dimy avy ho an’ny kaominina Soanierana Ivongo sy Mananara Avaratra ary Maroantsetra. Vita koa ny lalana rarivato 500 metatra ao an-tampon-tanànan’i Soanierna ivongo.
Notokanan’ny filoha Rajoelina Andry androany koa ity lalana ity. Ankoatra izay, nambaran’ny filoha fa hamboarina ny kiaja manara-penitra ao Soanierana Ivongo, araka ny fangatahan’ny tanora sy ny solombavambahoaka.