Hahazo EPP manara-penitra ny mpianatra ao amin’ny fokontanin’i Marosoka, kaominina Analavory, faritra Itasy, raha toa ka tranon-tsoavaly efa tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany no nampianarana ny ankizy tao hatramin’izay.
Hatomboka mialoha ny faran’ny taona ny asa fanamboarana ny efitrano fianarana. Hovatsina fitaovana sy boky koa ny mpianatra ao.
Ny filoha Rajoelina Andry no nanome baiko ny amin’ny hanamboarana izany, tamin’ny fahatongavany nijery ity toeram-pianarana ity nandritra ny diany tany Ampefy omaly, ary nambarany fa mendrika fotodrafitrasa tsara kalitao ny zaza malagasy tsy an-kanavaka.