80% ny fanarenana ny tohodranon’i Dabara no efa vita ankehitriny. Ezahina ho vita amin’ny fiandohan’ny taona 2022 ny asa . Ity fotodrafitrasa ity dia ahafahana manondraka lemaka 18 000 ha ary tany fambolena 14 000 ha.
“Ny tanjona dia ny hampitomboana ny vokatra vary any amin’ny distrikan’i Mahabo sy Morondava izay anisan’ny sompitry ny vary eto Madagasikara”.
Izany no nambaran’ny minisitry ny Fambolena Ralison Harifidy raha nanao fidinana ifotony tany antoerana ka nanara-maso ny fivoaran’ny asa mahakasika ny fambolena any amin’iny faritra iny ny tenany.
Rehafa avy tany Maintirano dia nihazo ny an’I Beboka distrikan’ Antsalova androany ny delagasiona izay notarihin’ny minisitra.
Celestine