“Pré-Symposium” iraisam-pirenena mikasika ny ” rohivoahary sy ny fahasalamana”, notanterahina ny 12 novambra tao amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza .
Tanjona amin’izany ny hametrahana ny vato fehizoron’ny paikadim-pirenena sy ny drafitra ahafahan’i Madagasikara miatrika ny areti-mifindra mety hisy manaraka raha ny fampitam-baovao avy amin’ny ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikaroana ara-tsiansa. Tafiditra tao anatin’ny fandaharana tamin’ny fihaonana ny fifampidinihina an-databatra boribory. Nandray anjara tamin’izany ny mpikaroka sy ny manam-pahaizana ary matihanina eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny minisiteran’ny Tontolo iainana ary ny minisiteran’ny Fampianarana ambony.
Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fihaonana ny minisitra mpiahy Assomacou Béatrice.