Tokony ho tafakatra 200 000 hatramin’ny 300 000 ny asa misokatra eto Madagasikara, rahefa voatrandraka ny 10 isan-jaton’ny sehatry ny jono an-dranomamy, miampy ny an-dranomasina, hoy ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena manga, Mahatante Tsimanaorate Paubert, nandritra ny fanokafana ny “Foara ben’ny hazandrano” tetsy Mahamasina androany.
Natao hampahafantarana ny malagasy sy izao tontolo izao ny vokatry ny harena anaty rano ity hetsika ity, hoy ny minisitra, ary isarihana ny rehetra hametraka ny jono ho kitro ifaharan’ny fampandrosoana. Haharitra 3 andro ny hetsika, ahitana mpanao fampirantiana manodidina amin’ny 60, ahitana mpanjono, mpandraharaha, sy mpikirakira sakafo.