Nodimandry omaly omaly hariva tany Antsiranana ny jeneraly Andrianafidisoa, (jeneraly Fidy). Izy dia anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’ny tolom-bahoaka 2002. Nitarika ny fanafihana ny lapan’ny faritany notantanin’ny governora Emilson tao Andohanatady.
Efa nanana andraikitra maro teto amin’ny firenena ihany ko aizy , nitantana ny OTME ( Office de Transmissions Militaires de l’Etat), efa Tale jeneralin’ny OMNIS ary PCA orinasa SECREN.